Matthew 25

1Ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjina folo izay naka ny jirony ka nandeha nihaona tamin’ ny mpampakatra. 2Adala ny dimy tamin’izy ireo fa ny dimy kosa hendry. 3Ary rehefa nitondra ireo jirony ireo virjina adala, dia tsy nitondra solika niaraka taminy. 4Fa ireo virijina hendry kosa dia nitondra fitahirizan-tsolika niaraka tamin’ny jirony.

5Ary raha tara ny mpampakatra, dia rendremana izy rehetra ka natory. 6Fa tamin’ny sasak’alina dia nisy niantso mafy hoe: ‘’Indro, ny mpampakatra! mivoaha mba hiaona aminy.‘’

7Avy eo niharina ireo virijina rehetra ka nikarakara ny jirony. 8Hoy ireo adala tamin’ireo hendry hoe: ‘’Mba omeo ampahany amin’ny solikareo izahay fa efa ho faty ny jironay. 9Fa namaly ireo hendry ka niteny hoe: ‘’Sao dia tsy ho ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana kosa any amin’ireo mpivarotra ka mividiana ho an’ny tenanareo.‘’

10Raha nandeha nividy izy ireo, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-nandeha taminy ho ao amin’ny fanasam-panambadiana, ka nihidy ny vavahady. 11Rehefa afaka izany dia tonga ihany koa ireo virjiny sasany ka niteny hoe: ‘Tompoko, Tompoko, mba vahao izahay’. 12Fa namaly izy ka niteny hoe: ‘Lazaiko marina aminareo, tsy mahafantatra anareo aho.’ 13Koa noho izany mihambena, fa tsy fantatrareo ny andro na ny ora.

14Fa izany dia tahaka ny lehilahy iray izay handeha ho any amin’ny firenen-kafa. Niantso ny mpanompony izy ka nampitantana azy ireo ny hareny. 15Ny iray tamin’izy ireo nomeny talenta dimy, ny iray hafa nomeny roa, ary ny iray hafa kosa nomeny talenta iray. Ny tsirairay dia samy nandray talenta araka izay fahaizany avy, ary nandeha tamin’ny diany izany lehilahy izany. 16Ny iray izay naharay talenta dimy dia nihainga teo noho eo ka nampiasa azy ireo ary nahazo talenta dimy hafa.

17Toy izany koa ilay iray izay naharay talenta roa nahazo roa hafa. 18Fa ilay mpanompo iray izay naharay talenta iray kosa, nandeha ka niady lavaka tamin’ny tany, ary nandevina ny volan’ny tompony.

19Ary taorian’ny fotoana ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo ary nandamin-draharaha tamin’izy ireo. 20Niditra ilay mpanompo izay naharay talenta dimy no sady nitondra talenta dimy hafa. Hoy izy hoe: ‘’Tompoko, nomenao talenta dimy aho. Indro, nanatombo talenta dimy hafa aho.” 21Hoy ny tompony taminy hoe: ‘’Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin’ny zavatra vitsivitsy ianao. Izaho hampihandraikitra anao amin’ny zavatra maro. Midira amin’ny fifalian’ny tomponao.‘’

22Ilay mpanompo izay naharay talenta roa dia nanatona sy niteny hoe: ‘’Tompoko, nomenao talenta roa aho, indro, nanatombo talenta roa hafa aho‘’. 23Niteny azy ny tompony hoe: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin’ny zavatra vitsivitsy ianao. Izaho hampihandraikitra anao amin’ny zavatra maro. Midira amin’ny fifalian’ny tomponao.’

24Avy eo ilay mpanompo izay naharay talenta iray nanatona no sady niteny hoe: ‘’Tompoko, fantatro fa lehilahy hentitra hianao. Mijinja eny amin’izay tsy namafazanao ianao, no sady manangom-bokatra eny amin’izay tsy namboleanao. 25Natahotra aho, ka nandeha ary nanafina ny talentanao tao anatin’ny tany. Jereo, indro izay anao.‘’

26Ary namaly azy ny tompony ka nanao taminy hoe: ‘Ianao ry mpanompo ratsy sady malaina, fantatrao fa izaho dia mijinja eny amin’izay tsy namafazako sy manangom-bokatra eny amin’izay tsy namboleko. 27Noho izany dia tokony nomenao ny mpanjana-bola ny volako, ka rehefa niverina aho dia nandray ny ahy miaraka amin’ny tombony.

28Noho izany alaivo any aminy ny talenta ary omeo ho an’ilay mpanompo izay manana talenta folo izany. 29Fa izay rehetra manana dia homena be kokoa- mihoatra lavitra aza. Fa ho an’ireo izay tsy manana na inona na inona kosa, na izay hananany aza dia ho esorina aminy. 30Ario any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mendrika, any no misy ny fitomaniana sy ny fikitroha- nify.

31Ka rehefa tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’Olona sy ny anjely rehetra miaraka Aminy, dia hipetraka eo amin’ny seza fihandrihanan’ny voninahiny Izy. 32Ary ny firenena rehetra dia hangonina eo anatrehany, ary hanavaka ny olona iray amin’iray hafa Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. 33Hametraka ny ondry ho eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany.

34Ary ny mpanjaka hiteny amin’ireo izay eo an-tanana ankavanany hoe: ‘Avia, ianareo izay notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay efa voahomana ho anareo hatrizay nanorenana an’izao tontolo izao. 35Fa noana Aho dia nomenareo sakafo; nangetaheta Aho dia nomenareo ho sotroina; nivahiny Aho dia nampandrosoinareo; 36nitanjaka Aho dia nampitafinareo; narary Aho nokarakarainareo; ary tany am-ponja Aho dia nakany Amiko ianareo.’

37Ary ireo marina dia hamaly sy hiteny hoe: ‘Tompo, oviana izahay no nahita Anao noana ka namahana Anao? Na nangetaheta ka nampisotroinay? 38Oviana Ianao no hitanay nivahiny ka nampandrosoinay? Na nitanjaka ka nampitafianay? 39Oviana izahay no nahita Anao narary na tany am-ponja ka nakany aminao? 40Ary ny Mpanjaka namaly ka niteny azy ireo hoe: ‘Lazaiko marina aminareo, izay nataonareo tamin’ireny rahalahiko kely indrindra ireny, dia nataonareo tamiko.’

41Ary izy hilaza amin’ireo izay eo ankaviany hoe: ‘Mialà amiko, Ianareo izay voahozona, ho any amin’ny afo mirehitra mandrakizay izay efa voahomana hoan’ny devoly sy ireo anjeliny, 42satria noana Aho, fa tsy nomenareo sakafo; nangetaheta Aho, fa tsy nomenareo hosotroina; 43nivahiny Aho, fa tsy nampandrosoinareo; nitanjaka Aho, nefa tsy nampitafinareo; narary sy tao am-ponja Aho, fa tsy nokarakarainareo.’

44Ary dia hamaly koa izy ireo ka hiteny hoe: ‘Tompo! Oviana izahay no nahita Anao noana, na nangetaheta, na nivahiny, na nitanjaka, na narary, na tany am-ponja, ka tsy nanompo Anao? 45Ary Izy hamaly azy ireo ka hiteny hoe: ‘Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy nataonareo tamin’iray tamin’ireo madinika ireo, dia tsy nataonareo tamiko.’ Ireo dia halefa ho ao amin’ny fanasaziana mandrakizay fa ireo marina kosa ao amin’ny fiainana mandrakizay.‘’

46

Copyright information for PltULB